4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manin-te hody - Mamy Robinson

Rehefa manin-te hody fa lavitr’akany

Rehefa manin-te hody fa manembonembona ny any

Manin-te hody tafasaraka sy lavin-tany

Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

Afaro ’rony volana aman-kintana irony raha manin-te hody

Ilazao hoe kaky sy neny @ izay fa izy manin-te hody

Ny tambitamby tanilanareo mba manin-te hody

Manin-te hody @ kaky sy neny aho manin-te hody



Ref:

Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody

Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody

Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody

Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody



O ry zoky sy zandry izaho irery aty manimanin-te hody

Tsy tafandry mandry ka velon-toloko fa manin-te hody

Ny adiady sy sangy tanilanareo mba manin-te hody

Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

Manin-te hody, lasa lavitra aho, lasa lavitra anareo  

Manin-te hody, malahelo aho, malahelo, mitoreo

Manin-te hody, tsy tamana aho tsy mahasaraka anareo

Manin-te hody aho (3)



Ref:

Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody

Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody

Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody

Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody



Efa ela nisarahana t@ tapaka sy namana aho

Lasa aty an-tany lavitra fa mba mila ravin’ahitra aho

Voatery nandao ireo havana aho

Voatery nandao ny tanindrazana aho

Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody



Ref:

Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody

Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody

Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody

Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody



MAMY ROBINSON

Partager manin-te hody

Commenter manin-te hody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamy Robinson